Antsam-panahy alahady 12 mai 2013

Ry havana,

Faly miarahaba anareo izahay tratrin’ny ny andro anio,

Ho fankalazana an’Andriamanitra sy ho fisaorana indrindra ny Mpitandrina mivady Ranaivoarisoa Edmond noho ny nahatratrarany ny Jobily fisotro-dronono dia hanatanteraka ANTSAM-PANAHY ny alahady 12 mai 2013 ny Tanora Teraka Ambatomena ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana.

Manomboka amin’ny 2ora sy sasany no fotoana, misy ireo antokom-pihira izay nasaina ho amin’izany, indrindra fa ny STK avy any Ambatomena Mananara.

Akoatra izay, dia ho avy eo koa ny Mpitandrina mivady Ranaivoarisoa Edmond hono izany fa vanim-potoana lehibe izany, manasa antsika rehetra izay tratr’antso ho tonga ry havana.

Farany misaotra indrindra ny rehetra, izay nikarakara sy nahatotosa ny Antsam-panahy.

Ny Tanora Teraka Ambatomena.